
Ny Colocasia esculenta dia karazan-javamaniry misy vodiny azo hanina izay maniry sy volena amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany, ao amin' ny fianakaviana Araceae, zana-pianakaviana Aroideae. Amin' ny teny malagasy dia atao hoe sahogno, sahonga, sahono, saoña, saonasaona, saonjo, saonjorika, sohono, sonjo, taho, taro ary tazo io zavamaniry io.
Miendrika varingarina na kitsoloha ny vodisaonjo, mifono hoditra mafy, sahala amin' ny an' ny mangahazo. Sakafo mahavelona any Afrika sy Ôseania ary any Azia Atsimo ny saonjo, indrindra ny vodiny.
Azo hanina atao laoka koa ny taho sy ny ravin-tsaonjo (agnan-tsaôgno) izay tena matsiro kanefa mila ketrehina fotoana maharitra. Mampalailay vava ny mihinana ny vodiny na ny raviny na ny tahony raha mbola tsy nahandroina.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Ankapobeny
[hanova | hanova ny fango]
Maniry mijoro ny Colocasia esculenta, na saonjo, izay manana haavo hatramin' ny 2 m, ary afaka miteraka zanany vaovao ny fakany be tsiraka sy tsy lalina. Zavamaniry maharitra taona maro izy io noho ny fananany vatana mitahiry otri-kanina manana habe samihafa, atao hoe "vodiny", izay miendrika varingarina na boribory. Mamoaka tsimoka amin' ny sisiny izay miteraka vodiny na zanany ambaratonga faharoa ity "vodiny" ity, izay mety milanja hatramin' ny 4 kg. Na izany aza dia ambolena matetika isan-taona ilay zavamaniry.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]
Ny ravin' ny saonjo, izay tsotra sy lehibe ary tsara tarehy, dia misy loko manomboka amin' ny maitso tanora ka hatramin' ny maitso antitra, indraindray somary volomparasy, ary mirindra manaraka filaharana miolikolika miakatra, toa mipoitra amin' ny faritra iray. Feno sy matevina ny felan-dravina izay tsy misy volovolo sady misy kirany lehibe telo. Miendrika fo na somary miendrika lela lefona ny fotony. Tsy mandray rano ety ivelany toy ny an' ny tatamo (Nymphaea nouchali) ireo ravina ireo. Mety hahatratra 85 sm ny halavany ary 60 sm ny sakany. Manana halava 0,5 hatramin' ny 2 m ny tangozan-dravina izay maitso na volomparasy sady mivelatra kokoa ary lasa fonosana ny eo am-potony, izay miraikitra amin' ny tendron' ny vatan' ilay zavamaniry. Azo inoana fa manamora ny fifanakalozana etona ny firafitra ananan' ny tangozan-dravina izay toa spaonjy raha maniry eny amin' ny faritra feno honahona na tondraka ilay zavamaniry.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Tsy fahita firy, na tsy misy mihitsy aza, ny famelanana sy ny famoazan' ny ovan-karazana ambolena sasany, indrindra any amin' ny nosin' i Pasifika.
Ny vondrombony dia salohy voafonon' ny braktea lehibe miendrika varingarina manana halava 6 ka hatramin' ny 14 sm, miafara amin' ny kambiny tsy mamokatra marani-tendro miloko mavokely. Io vondrom-bony io dia entin' ny tangozam-bony matanjaka, manana halava 15 hatramin' ny 30 sm, nefa fohy kokoa noho ny tangozan-dravina. Ny brakte (ravina miendrika felam-bony) lava sy tery, manana halava 20 hatramin' ny 40 sm, somary mifaingoka kely eo amin' ny tendrony, dia mihorona amin' ny endriky tandroka manodidina an' ilay salohy. Mampiavaka ny fianakaviana Araceae, ity rafitra ity, indrindra fa amin' ny karazana fanao haingo.
Io ravina miendrika felam-bony io dia maitso amin' ny ampahany ambany, manana halava 3 hatramin' ny 5 sm, izay mandrakotra ny vony izay misy vavimbony, sy mavo amin' ny ampahany ambony, izay lava kokoa, manana halava 15 hatramin' ny 35 sm, boribory lavalava miendrika lela lefona ary mihorona rehefa eny amin' ny tendrony.
Ny tena voniny, izay kely sy tsy misy londona, dia na lahy na vavy. Mipoitra eo am-pototry' ilay salohy ny vony izay manana vavimbony, miloko mavo na maitso, manana halava 2 ka hatramin' ny 5 sm. Manana fihary atodinaina ambony izy ireo, ary tsy misy efitrefitra anatiny, manana savaivo 1 hatramin' ny 1,5 mm, sy fandray vovobony tokana, saika tsy misy tangozany. Misy atody 36 ka hatramin' ny 67 ny fihary atodin' aina. Miparitaka mifangaro amin' ny vony vavy mahazatra ny vony tsy mamokatra ary manjavona miandalana rehefa mitombo ny voa aorian' ny fandonahana.
Eo ambonin' ny vony vavy no ahitana vony tsy mamokatra manana halava 2 hatramin' ny 5 sm, arahin' ny vony lahy eo an-tampony, manana lahimbony 2 hatramin' ny 6.
Voa
[hanova | hanova ny fango]Mamokatra voa kely be nofony maro izay mitambatra ho vondromboa ny saonjo. Miloko volomboasary ny voa tsirairay, izay miendrika salavalava, rehefa masaka, manana savaivo 3 hatramin' ny 5 mm ary misy vihim-boa 2 hatramin' ny 5.
Miendrika atody na salavalava ireo vihy ireo, izay manana halava 1,0 hatramin' ny 1,5 mm sy savaivo 0,7 hatramin' ny 1,0 mm. Mafy izy ireo, miloko mavo tanora, manana foitra hita mazava eo amin' ny tendrony iray ary tangozam-bihy mangarahara sy mora tapaka, ary misy tahirim-bihy be dia be.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vomanga
- Mangahazo
- Saonjo: Colocasia esculenta (L.) Schott; Colocasia antiquorum Schott